Famaritana

I. Famaritana
a. Ny atao hoe «ASA» dia fanafohezana ny «Asa famoahana demonia», na koa ny antsoina hoe « Asa fandroahana devoly». Araka izany no itenenana hoe « Mila asa / hamonjy asa / mangataka asa / tsara iasana...».
b. Ny «Fampaherezana» dia ilazana ny vavaka ombam-pametrahan-tànana ataon’ny mpiandry. Koa raha misy, araka ny fiteny, «mangataka fampaherezana» amin’ny mpiandry, dia tsy teny toy ny toriteny no ataony, fa io endrik’asa voalaza io, izay tokony handrenesana Tenin’Andriamanitra rahateo.
Mazava loatra fa misy ny hevitra malalaka ampiasana ny teny hoe «Fampaherezana» dia ny fampiorenam-pinoana izany, ny fananarana...
2. Foto-piorenana
Tsy tongatonga ho azy na ataotao foana ny Asa sy Fampaherezana, izay azo lazaina ho mampiavaka ny mpiandry eo amin’ny sahan’ny fanompoana eo amin’ny fiangonana sy eo amin’ny sehatry ny fitoriana ny Filazantsara.
Misy hevitra fototra mamaritra azy:
a. Asa vokatry ny fiantsoana sy fanendren’ Andriamanitra:
Isaia 6: 1-8 ; Isaia 61: 1-4 ; Jeremia 1: 4-10 ; Matio 10: 8 ;
Marka 16: 17-18; Jaona 15: 16 ; Jaona 21: 15-18;
Asan’ny Apostoly.20: 20-28 ; Efesiana 4: 11 ; I Petera 5: 2-4
b. Asan’ny Fanahy sy ny Herin’Andriamanitra:
Zakaria 4: 6 ; Lioka 10: 19 ; 1 Korintiana 12: 9-28
d. Asa mila fianarana, fanomanana ary fanokanana:
Matio 17: 14-18 ; Jaona 8: 31 ; Asan’ny Apostoly 13: 1-3 ;
3. Tanjona kendrena
Ny ahazoana famonjena amin’ny alalan’ ny finoana.
Noho izany dia toriana hatrany ny Tenin’Andriamanitra, dia ny anaran’i JESOSY sy ny TENINY (Rom.10:13-17); izany hoe tsy ny fotoanan’ny toriteny ihany, fa ny «Asa» sy ny «Fampaherezana» atao dia efa endrika sy fomba itoriana rahateo.
Foana tsy misy hery sady tsy misy dikany ireo «fìasam-pahasoavana» samihafa ireo, raha tsy iasan’ny Tenin’Andriamanitra mazava.
Koa na manao ahoana, na manao ahoana, dia tokony ho voatory mialoha hatrany ny Tenin’Andriamanitra, ho fanazavana sy fampiorenana ary fitarihan-dàlana ho amin’ny Asa sy Fampaherezana, raha tsy hoe angaha noho ny antony tsy azo nanoharana.
Vakio sy diniho :
Jer.l: 9-10; Mat. 10: 7-8 ; Mar.16: 15-18.






