
Semaine de prière pour l’Unité des chrétiens
Le principal temps fort oecuménique demeure la « Semaine de prière pour l'unité », qui depuis cent ans rassemble des chrétiens du 18 au 25 janvier.
Un Comité international composé de représentants du Conseil pontifical pour la promotion de l'unité des chrétiens et de la Commission foi et Constitution propose chaque année un document sur un thème présenté par une équipe interconfessionnelle d'un pays. Il propose une réflexion biblique, un schéma de célébration et des prières.
En France, ce document est adapté par le Centre Unité chrétienne de Lyon. Le thème pour 2012 « TOUS, NOUS SERONS TRANSFORMES PAR LA VICTOIRE DE NOTRE SEIGNEUR JESUS CHRIST » (cf. 1 Co 15,51-58)
HERINANDRO FIARAHA-MIVAVAKA 2012
Toy ny fanao isan-taona dia ankalazaina eran-tany manomboka ny 18 ka hatramin’ny 25 janoary ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho amin’ny firaisan’ny Kristiana.
Ny lohahevi-dehibe noraisina tamin’ity taona ity « ISIKA REHETRA, SAMY HOVÀNA AVOKOA NOHO NY FANDRESEN’NY TOMPONTSIKA JESOA KRISTY » IKorintianina 15.51-58 (DIEM)
Teto amin’ny faritra misy antsika dia notanterahina tamin’ny alahady 22 janoary teo ny fiaraha-mivavaka niraisan’ny fiangonana kristianina izay nandraisan’ny Fpma Paris anjara. Indroa miatoana no nanaovana izany.
-Tamin’ny 3 ora tolakandro tao amin’ny Fondation d'Auteuil : fotoam-pivavahana nokarakarain’ny FFKM-Frantsa (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina Malagasy eto Frantsa) izay niarahan’ny fiangonana Katolika , Anglikanina , ary ny FPMA nanatontosa.



-Tamin’ny enina ora sy sasany hariva kosa dia niarahantsika tamin’ny fiangonana kristianina rehetra mivondrona ao amin’ny Paris 8è sy Paris 9è : Eglise évangélique allemande, Paroisse Catholique de la Sainte Trinité, Eglise évangélique luthérienne de la Rédemption, Paroisse anglicane Saint Michael ary ny Eglise Protestante malgache. Izany dia notanterahina teto amin’ny Eglise de la Rédemption 16, rue Chauchat ."




